INAY (Rado)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay aho nikimpy tsy nety nijery
Ilay endrika kanto nisaloranao
Kanefa indrisy tsy nety voatery
Fa mbola tsy nisy nitovy aminao

Inay aho nangina, nanjaitra ny molotro
Tsy handoatra ny raki-pitia notrotroiko
Kanefa tsy nety, tsy maintsy natolotro
Nanosika mafy ahy mantsy ny foko.

Inay aho nanery ny tenako ihany
Na oviana na oviana, tsy hanoroka anao
Nefa inona indray teto ambonin'ny tany
No mamiko mihoatra an'izay taminao?

Inay aho izao...Inay aho ireny...
Raha toa tsy niombom-panahy aminao
Kanefa naleoko tan-kibon'Ineny
No efa tsy àry raha toa tsy ho anao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
12402 12
Hevitra mandeha
AZTECA ( 03/09/2019 12:50)
faran'izay tsara!
...
fa mbola kanto toy izany koa ny nihiran'i salomon azy
....
ikalamako ( 08/09/2019 15:50)
Toa Roland Raelison no nanisy feon'izy ity fa tsy Salomon raha tsy diso aho.
AZTECA ( 09/09/2019 06:42)
eny, tena marina tokoa izay satria i faniry zafikeliny @izao no mihira an'io
.. fa talohan'izao efa nisy version iray hafa koa dia i Salomon no nihira azy
Dina Malala ( 25/03/2022 21:17)
Tena mandona fo tokoa!!! Indrindra raha nisedra izany tokoa.
Sady mahafinaritra no mampalahelo fa tiako
AZTECA ( 29/04/2022 12:50)
sao misy manana manontolo ilay tononkalon -dRado misy hoe
"izay very vakana,mbola hitady
izay very sampy, mbola hanolo,
ny zanaka kosa tsy tahaka an'izany
ny toera-nialany tsy mety voasolo"
Mankasitraka sahady ho an'izay mamaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : elnilbleue
Daty : 30/05/2018 08:50
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164