Jean Joseph Rabearivelo (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa inona indrindra Rabearivelo
No anton’izao toe-javatra izao
«Fahanginana lalina feno alahelo»
Tokoa sa itony no «zavatra vao»

No vony namelana sady maningana
Ka nofolahina mbola andrandraina
No kalo nampoizina ho avo fandingana
Ka dia nampanginina vao diva haraina ?

Ny tany ary no mbola tsy lonaka
Sa ny kalo no avo tsy taka-baliha ?
No setroka sisa no hita midonaka
Haminavinàna ny saika ho doria ?

Antontan-takelaka tena tsy hay
No sisa kiraina hanakarana anao
Dia tapa-porohana sisa tsy may
Tsy afa-mamaly izay anton’izao…

Kanefa nangina tanteraka ianao
Tsy mety mamaly hilaza ny marina
Naleonao nijanona fotsiny izao
Ho « RABEARIVELO » tsy taka-takarina

(26 aprily 1988)
--------
Rohy:
1159 2
Mpakafy: Fre - zok_ratah
Hevitra mandeha
Fre ( 27/08/2024 13:24)
Tsy taka-takarin'ireo avo lenta,
Tsy mifankalala ny samy poeta
Fa na nisy aza ilay testamenta
dia tsy mahalaza ny zava-drehetra

Tsy taka-takarin'ny ela netezana
Takarina ihany fa tsy ampy tetezana
Adalana va re ka aleo iomehezana
Sa tsy afa-nanoatra noho ny tsy fetezana

Tsy taka-takarin'ireo olon-kendry
Te hiteny izy hoe izao agaha no voatendry
Kanefa, fa angaha moa raha diso fikendry
Dia tsy manan-jo mba hiova ho "fendry"

Tsy taka-takarina ny zava-marina
Nisandratra avo kanefa nivarina
Mba nanakoako fa nalaky farina
Mba niredareda kanefa nanarina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/03/2024 11:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167