Fiadanana hafahafa (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any efitrano iray, mitokantokana irery
Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery
Efitrano iray mangina, efitrano mahonena
Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena

Misamonomonona ao, hirahira hafa kely
Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely
Oh, ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana
Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana

Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra
Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra
Nefa, misikìna hery, dia hidio ny varavarana
Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana

Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina
Aforiporitra hafahafa, toa fiazina, fihinina
Mba hamantaranao kokoa, ny fiantombohan'ny tantara
sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara

Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra
Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra
Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana
Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana

Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina
Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina
Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka,
na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka

Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana
Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana
Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso
Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso

Hmmm, injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana
Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana
Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana
Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana

Vita izay, ohh, tsaroana afaka entana ka faly
Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly
Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny
Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny

Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo
Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo
Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany
Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
16925 9
Hevitra mandeha
ZoRajoela ( 06/04/2009 20:19)
Haha. Super. WC!!
maeva74 ( 29/06/2009 14:08)
Any an-trano fisainana izy izany , mahay ilay mpanoratra
Elihangy ( 26/01/2010 10:23)
tena i Georges Andriamantena ve no nanoratra an'io???
hery ( 25/05/2012 14:49)
Nivoaka tamin'ny bokin'i Rado ve ity?
Tenagasy ( 25/05/2012 14:55)
Mnh !
Ary tena nataony nijafajafa mihintsy ny anao lahy an!
Nataon'i SEFO velon-tsoratra !
Mnh
Mankasitraka e!
yhardina ( 05/06/2014 07:51)
Mahita ho lazen ku le mpanoratra k!mhtpt mts
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Nirilala
Daty : 12/03/2009 15:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153