FO ADALA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misentosento lava Arahina anjoretra
Mitapitambim-bava
Toa mampite- hitsetra.
Ilay tovolahy iray
Te hamboraka fitia
Fa toa mangahiahy
Toa adala sanatria.
Tsy mba manan-kolazaina
Raha mba tojo ilay tiana,
Fa toa lasalasa saina
Tena valaka sy sina.
Toa mangovitra daholo
Raha jerena izato izy
Ary toa mitsangam-bolo
Tena hita hoe : Tsy izy.
Toa lazaina hoe : Menatra
Nefa toa sahisahy
Ny ao anatiny mirehaka
Fa izy dia tsy maintsy ahy.
Raha tojo azy anefa
Dia tsy hita izay atao
Mitari-dositra hilefa
Toa ankizy milalao.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
ravakangel
(
18/01/2008 14:36)
o ry zareo a!otrzany ny lelah refa tena tia!fa ra vo lé sahisahy b reny izy d mbola ts tafalatsaka tsara izy zay!mlay lé izy ka!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)Nampiditra : mbitaniavo
Daty : 09/06/2007 14:25