Miafina (sandrah, laingo, zoely, nambinina) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIAFINA(Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina)
Any ambany ravina any
Ao anaty vovon-tany
Misy vatosoa miafina
Any anaty ala any
Eny antsefa-dongon-tany
Misy vonin-kazo miafina
Tsy tazanao raha jerena
Fa hafenin’ny hatsarany
Sy felany mamony
Ka raha fitia vao hambolena
Handravahana ny tany
Dia vonin-kazo toy itony
R.JO (27/09/03)
Beronono
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)Nampiditra : Malalason
Daty : 06/07/2004 10:54