Namana vetso serasera (ny kanto, bichette, malalason) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA VETSO SERASERA
(Ny Kanto, Bichette, Malalason)

I serasera no iresahana
Satria isika dia mpinamana
Natambatry ny tononkalo
Ho tahafin’ny mpandalo

Hitantara zava-maro
Ny soa sy tsara mifangaro
Izay voarindra sy voalanto
Sa ahoana hoy Ny Kanto?

Ny vetsovetso no alefa
Any aminao mba hiantefa
Hampiseho karazam-piainana
Hitaizana ny fisainana

Ho tsangam-baton-tsangan’asa
Sy tandindon’ny efa lasa
Hanitsiana ny tsy mety
Sa tsy izany ry Bisety (Bichette)

Raha tsy nisy antsika namana
Dia mahantra ny tsy manana
Tsy mba manan-kifaharana
Ka hilaza hoe : “niangarana”

Ho tafita anie ny hafatra
Na dia hoe : tsy tonga lafatra
Arahim-pirariantsoa
Avy amin’ny Malalasoa (Malalason)

R.JO (08/07/04)
(T@ 1ora sy 17mn alina, alina nitondra fisainana)
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - tsara
1769 5
Hevitra mandeha
bichette ( 08/07/2004 10:19)
Dia tena tsara, mahafinaritra mihitsy ny tononkalonao
ary dia marina avokoa ny voalazanao.
Misaotra betsaka e !
Malalason ( 08/07/2004 10:31)
tsy misy fisaorana e misaotra antsika isika fa hono ho aho isika ve miaraka ao @ cyber @ ora mitovy sa ahoana fa vao lasa aho dia tonga koa nareo sao dia tokony hifanao fotoana?
R.JO
NyKanto ( 08/07/2004 10:41)
Malalason,
Novakiako, dia nodinihiko, ary nanakafiziko ary ankasitrahako ity tononkalon'ise ity satria marina avokoa ireo voambara sy navela teto ireo.
Ho ela velona anie ny "finamanana" mampiray antsika.
Ny Kanto.
Oully ( 21/07/2004 19:31)
Mankasitraka anareo!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105