Noely fifaliana (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY FIFALIANA

Velom-bolo jiaby
Ny voahary manontolo
Mitsiky miran’endrika
Fa ho avy ny Noely

Eny an-tsena eny
Feno mpitsongoloka
Mifidy izay sahaza
Na lehibe na zaza

Ireo mpanendaka aza
Mifaly ihany koa
Fa be no mety ho voa
Sy ho voagarom-paosy
Ny sasany indray
Manandratra ny feo-ny
Fa “teraka Jesosy
Ao an-tranon’omby,
Mitobaka ny saosy
Ny kibonay tsy omby”
“Ny avia ry mino
Hifaly sy hihoby”
No re manakoako
Mameno ny fahanginana
Isan-tokatrano.

Izany eo ihany
Fa misy any ho any
Ny sakafo anio
Tadiavina rahampitso
Miandrandra famonjena
Amin’izay mitsetra
Miandry mana avy an-danitra
Raha alatsak’Andriamanitra

Ny mpirevy tsy lazaina
Fa satriny aza fety foana .
Hisotroany ilay mafana
Hifalian’ireo akama
Ho fanalana sorisory

F’I Pasitera sy ny Diakona
Dia miezaka mandrindra
Manaingo ny fotoana
Any ampiangonana
Fa fety aman-danonana
Ity Noely ity

Ny Tompo anie hambomba
Ny fiainan-tsika rehetra
Ka ho Noely foana
Ny androm-piainan-tsika
Miaraka amin’I Kristy

Amen …
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
4009 4
Hevitra mandeha
nyeja ( 05/12/2004 17:55)
tena mahafinaritra ilay tononkalo e sady mampihomehy ihany koa indrindra fa ilay hoe :

"Ireo mpanendaka aza
Mifaly ihany koa
Fa be no mety ho voa "
'(...)

Ny mpirevy tsy lazaina
Fa satriny aza fety foana .
Hisotroany ilay mafana
Hifalian’ireo akama
Ho fanalana sorisory

tsara e , hoy
Ny eja namanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155