FIEKEM-PINOAKO (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIEKEM-PINOAKO

‘Zaho mino an’Andriamanitra,
Nanao ny tany aman-danitra
Mbamin’ny voahary tsisy fetra;
Rain’ny olona rehetra.

‘Zaho mino an’i Jesoa Zanany
Ilay faradinan’ny fitiavany,
Nanetry tena ho ambany
Hamonjy ny olona eto an-tany.

‘Zaho koa mino ny Fanahy
Ilay mpanala ahiahy,
Sy Mpitsilo, Mpanazava
Mahalasa ny haizina hisava.

Tsiniako ny herim-pamoretana,
Hangejana sy andrafetana
Fahefana mitanila
Mampitondra fahoriana.

Fa ny iriko mba ho tò
Dia ny fitovian-jo,
Iainan’ny olona rehetra
Tsy anjakan’ny herisetra.

Izaho tsy mino fa tsy anjarako
Ny hoavin-janaka amam-parako,
F’izay afafiko anio ihany
No hojinjainy rahatr’izany.

Izaho tsy mino fa any aoriana
Ho foana tsy hisy fahoriana,
Raha mangina aho ka manaiky
Ny tsy rariny eto akaiky.

Tsy inoako ny ady sy hanoanana
Hoe tsy azo ajanona sy foanana,
Ka ny vaventy sy ny mpanana
No hany hiaina am-piadanana.

Ny zoto mafy sy ny kiry,
Sy ny asa iafiana an-kirifiry,
Inoako fa tsy misy ho foana
Na dia ‘zay bitika tsy ahoana.

Tsy mino aho hoe ho nofy ihany
Ireo faniriana sesilany,
Na ho voafetra hatreo am-pasana
‘Zay nantenaina sy nandrasana.

Sahiko ny mino androany
Fa ho foana ny tomany,
Inoako hitsahatra ny “indrisy”
Na dia izao ny zava-misy.

Mino aho fa any am-parany any
Hihavao ny lanitra sy tany,
FIAINANA MANDRAKIZAY
Tsy anjakan’ny ota indray.

AMEN
(J-J. Randrianarimanana 03/10/2019. 14:25)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
892 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 28/02/2020 23:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116