ILAY ANDRO MALAZA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY ANDRO MALAZA

Tsy nofiko!
Fa efa miandry any ilay malalako;
Lay tokako, tsy manam-paharoa.
Izy no hany tiako sy anjarako,
Ilay nanokanako ny “Fo”-ko!

Tsy nofiko!
Fa efa voatendry ny andro iray
Hampakarako azy ambony ôtely.
K(a)'hifampivoady 'zahay mandrakizay,
Fa tsy hisara-bady velively.

Tsy nofiko!
‘Lay ranomasom-pifaliana hiseho,
Tsy tana imason’olona fa ravo
Raha vao nahatonona ilay voady teo,
Sy naharay ny tso-dranon’Ilay Avo.

Tsy nofiko!
Ny antoko mpihira haneho ny talentany,
Hidera ny hakanton’ny “Fitiavana”;
Fa andro iray miavaka sy mientana
No atrehin’ny sakaiza sy ny havana.

Tsy nofiko!
Ireo horakoraka eny an-dalana,
Sy ‘reo kotaba arahin’anjomara;
Filaharam-be toa tsy hifarana,
Fa mifaly hatramin’ny fiara.

Tsy nofiko!
‘Reo olona nasaina mitandahatra,
Manome tso-drano arahin-tolotra.
‘Zahay tsy hahita teny lava halahatra
Ankoatran’ny hoe “Misaotra!” dia manoroka.

Tsy nofiko!
‘Lay olona ho voatokana amin’izany,
Mety ho iray, mety hisy hamaly;
Ka hikabary handaha-teny mamy
Hanokatra ilay andro hiaraha-mipaly.

Tsy nofiko!
Fa ‘lay hira tena tiako indrindra
No hohiraina hanokafana ny fety,
Ary harahim-pihetsika mirindra
Mba ho tonga kanto, ho tena mety.

Tsy nofiko!
Fa sambasamba ‘zahay imason’olona,
No hiventy an-kira “tononkalo” iray;
Dia hiara-hanambara indray fa vonona
Ny hifankatia doria, mandrakizay.

Tsy nofiko!
Ireo nasaina, namana sy tapaka
Migaga sy midera ny hasambarana;
Fa olon-droa natao tena hiaraka
No nakamban’ny herin’ny fitiavana.

Tsy nofiko!
‘Zahay roa tsy hahatelin-kanina,
Fa hitety ny olona nasaina;
Tsy hahatsiaro vizana na fanina
Fa vokin’ny fitia ka ho feno aina.

Tsy nofiko!
Hifampijery ‘zahay dia hivanitika,
Tsy hisy hahaloam-peo fa samy faly.
Hihomehezanay eo na dia zava-bitika,
Dia hadino ny hasahiranana omaly.

Tsy nofiko!
Fa amin’izay andro iray izay,
No hamakiana ity vetso ity.
Dia hotsarovany mandrakizay
Fa ny ahy tsy rediredy ny “Fitia”.

Tsy nofiko!
Fa vavaka asandratro isan’andro
Sy ambeti-teniko amin’izy Ray,
Na hariva na miposaka masoandro;
Ka inoako fa ho toa izay.



Tsy nofiko!
Inoako fa niriny koa izany,
Ka amin’ny andro tena ahatongavany
‘Zahay no ho faly indrindra eto an-tany!
Ka ny tsiky maminy no ho ravany.



Tsy nofiko !
Fa … mba ho iza io olona io?
Ihomehezo e! … itsikio!
Fa ny finoako dia madio,
Na dia tsy fantatro izy anio.

Tsy nofiko! ….
Fa … nofisiko mangina…
Satria fiainam-pifaliana
Eo anilan’olon-tiana,
Ka … hotanteraka rahoviana?

Jean Jacques RANDRIANARIMANANA, (08/01/12)
--------
Rohy:
1338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 07/04/2020 14:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139