lalam-ben'ny velona (Randja Zanamihoatra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ianao io, raha fony mbola tsy aryNosaininao va re ? Mba taiza ianao no niafitra?
Moa tany an-tsain'ny lahy izay efa lavorary
Sa tao am-pon'ny vavy sy ny vatany mirafitra?
Nidiran-tsy nirina
ny lalamben'ny velona
Kinanjo raha nombana
Vao satry hialana
Fa angamba koa tsy tiana
Fa tsy azo nidifiana.
Satam-pitomboana
doron'afom-batana
Nitsonika ny rano
Vaorendrika tam-bohoka
Impolo tsinana iny
ilay volana eny iny
Intsivy lany kosa
Ny volana fanisa
dia vaky ranon-doha
ilay mandan'ny tavony
Ary indro vavahady
nitsena anao sahady
Ireo kintan'andronao
sy izao tontolo izao
sariaka manindao!
RANDJA ZANAMIHOATRA
--------
Lien:
