Malagasy mankany .... (Randja Zanamihoatra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny!
Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!
Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely - toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady!
Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!
Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody:
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!
Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana:
Ankizilahy sy ankizivavy, amin'ny tena fisandratana,
Miova tsy mpivady amin'izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombantombany.
Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika!
Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao
Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.
--------
Rohy:
Sokajy :
Kolontsaina
Mpakafy:
patrickmjk - narindra2020 - zafinirinaj - tommyrtsoa - AndoNaah - rakotobriac - tsiryharinala071 - yrakotondrasoadilin.j - tianyony7 - daniel.r - tiffany2017 - flavienjeanr6 - fanomezantsoa2016 - herilanto336 - zoandryliva - arnelson18 - Mamhy - katita - fanamperana - sylvoalias - pissoa
Hevitra mandeha
nikopol
(
30/06/2006 11:49)
efa nianaranay taminy bolakely ty poezy ty ! fa tsy tsaroako hoe hasiniony no nanoratra azy !
hery
(
01/07/2006 08:32)
Efa nahitsy... Ranja Zanamihoatra no mpanoratra. Misaotra an'ilay nilaza tamiko.
hasiniony
(
01/07/2006 09:29)
Ary toa misy mampiditra sanganasan'olona ato amin'ny lisitry ny asa soratro eh?
Aino
(
08/07/2006 11:40)
efa hitako koa ity.
zakilinina
(
15/07/2006 11:54)
Tsara tokoa raha haverimberina eto ireo tononkalo fanta-daza toy itony. Soa fianatra ho an'ny tanora ankehitriny.
dziana
(
09/05/2008 11:37)
miteny ho azy ny tononkalo;mifono hevi-dalina ho an'izay mandinika ny hakanton'ny fehin-teny rehetra;
lehibe
(
30/10/2009 18:10)
fandikana tonokira gasy amin'ny teny français
lehibe
(
30/10/2009 18:10)
fandikana tonokira gasy amin'ny teny français
rijadolly
(
25/06/2010 13:14)
Ontsa tanteraka ny tena...
manantena12
(
24/07/2010 07:35)
Vao nanaovanay seho sehatra t@ herintaona io, d nilay an!
doum
(
26/07/2010 12:36)
Anisan'ny tononkalo tena tiko indrindra ity tononkalo ity, ary tena nahazahoako naoty ambony mihitsy tamin'ny kely ny nanao azy miaraka amin'ny fihetsika.hihihihi
Misaotra namerina azyeto ôô.
Misaotra namerina azyeto ôô.
gasyjean
(
05/09/2010 10:54)
Mila ny dikan'ireto teny ireto sao mba misy afaka manampy azafady:
Borizano;
Miedinedina;
Goga;
Mifampikimokimo.
Borizano;
Miedinedina;
Goga;
Mifampikimokimo.
sylvoalias
(
10/09/2010 06:21)
Tadidiko tsara tokoa ity tonokalo ity tany @ lycée...6é,5é...hihihi.(1970-73).
Tadidiko tsara koa ilay ramatoa Prof.ny teny Msy tena tianay be le Prof...
Anisan'ny tononkalo nankafiziko tokoa mbola tadidiko tsara tokoa.... Na ilay Ramatoa prof aza lasa Ramalasy no nataonay solon'anarany...
Misaotra betsaka é!

10/09/2010 06:47)
Gasyjean:
Nanontany ianao ny mety ho dikan'ireto teny ireto :
Borizano;
Miedinedina;
Goga;
Mifampikimokimo....
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Araka ny hevitro :
Borizana: 1/- T@ andron'ny filanjana de ireny lehilahy mpilanja ny manam-pahefana ireny no natsoina hoe borizana,irakiraka,(Tsy andevo akory ireo fa olona civil tsotra tanora matanjaka @ tanana izay voatentendrin'ny ben'ny tanana hilanja)
Eto anefa de midika hoe:" adepte,candidat,fan,,... mpaka-fy,na koa andevon'ny ny fandrosoana.
Miedinedina: midoladola,mianjaiky, mi-geste sy mi-styl araka ny fiteny ankehitriny...
Goga:reraka,trotraka,soir...'ny fiainana...ridé.
Mifampikimokimo:
Tsiky tsy ravo antendro-molotra feno nanamboniana tena sy fiavonavonana,mifono koa eso sy fanambaniana ilay dadabe fa hoe tsy á la page Baina ...Arahina baiko moana maro hafa koa izay midika ho tsy fahalalam-pomba amintsika Malagasy...
Asa na nahafa-po anao ny hevitro.... mety marina ,mety ho diso koa...ka anjaranao ny mandanjalanja azy...
Misaotra..

karako
(
19/10/2010 20:18)
Salama,
RanDZa Zanamihoatra tompoko fa tsy "Ranja".
Misaotra!
RanDZa Zanamihoatra tompoko fa tsy "Ranja".
Misaotra!
naivosoa
(
17/12/2010 21:31)
Tsara loatra lay tononkalo, tsy mety lany manja mihitsy, mafonja e!
misaotra t@ fizarana
misaotra t@ fizarana
arnelson18
(
11/06/2015 11:57)
toa azon'ny mpanoratra faminaniana tamim'izany fotoan'anoratany sahady lay toetran-RAMALAGASY sasany. tahaka ny misterin'ilay vola ro baoritra.
herilanto336
(
02/04/2016 03:22)
tonkalo nankafiziko hatry ny ela
tsiryharinala071
(
20/11/2018 09:38)
t@ zay tany @ lycée io tonokalo io!!
nirinamercia
(
15/08/2020 00:42)
Tokony ho "Moa va" fa tsy "Miova" io raha tsy diso aho