Am-panajana sy am-pirahalahiana (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ilay ianao tia kanto no halako, na ilay fihetsikao mizarafa ilay dika vilanao mitovy, no mandratsy ny tantara
sady alainao ny asa soratra, no disoinao ny tsipelina
ka na ny mpamaky aza, hita hoe voaelingelina
Raha hatreo koa moa mba naninona, Ny tena loza dia ity,
ny kanton'olona rambasana, angalarinao koa ny sonia
ka maro reo miaka-pofona, mitady tsy hahazaka intsony
ka azafady re ranamana, sao mivadika ny fony
Izaho hatreto aloha milamina, tsy mitady akory kisa
fa miteny am-pahendrena, aza atao intsony amin'ny sisa
raha maniry ianao hahay, azo atao ny mifanoro
fa ilay halatr'asan'olona, mampiakatr'afo sy mandoro
Koa miangavy ry sakaiza, ho an'ireo mpanoratra hafa
ialao re ny tsiny, mba tsy hivadika ny tafa
fa efa maro ny mpanoratra, tezitra ny fony lotika
fa na ny sainy na ny asany, noho ianao manjary potika
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana