ANDALAN-TONON-TENY (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDALAN-TONON-TENY Satria anio fetin’ny Reny
Dia hatolotro ho azy ireny
Indrindra indrindra ho an’i neny
Ireto andalan-tonon-teny
Tsy tonga lafatra ianao
Raha niezaka hamita
Ireo kely izay mba fantatrao
Ka ny zanaka ho tafita
Tsy tonga lafatra ianao
Raha nitaiza nanabe
Nikolo ireto zanakao
Hahaleo tena raha mandeha
Tsy tonga lafatra ianao
Raha nifofotra mihitsy
Ho an’ireto zanakao
Ninia namorona tsy misy
Tsy tonga lafatra ianao
Raha niasa mafy ,vaky loha
Ka teo amin’ny fiainanao
Ny sombin’aina no voaloha
Tsy tonga lafatra ianao
Raha nitohy misesisesy
Mananatra ireo zanakao
Eo amin’ny fiainana sao resy
Tsy tonga lafatra ianao
Ary izay no tena tsininy
Ka na lehibe ny zanakao
Tsy afa-bela fa fihininy
Tsy tonga lafatra ianao
Izay ilay andalan-tonon-teny
Amin’izao andro anio izao
Ho an’i Neny, ho an’ny Reny
--------
Rohy:
Sokajy :
Tsingerin-taona - Fiaraha-monina - Fianakaviana - Fety - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
Mpakafy:
12
Hevitra mandeha
12
(
02/06/2006 14:13)
tsara ilay izy fa dia izany ary ve dia natao lava be
veloma eeee!!!!
veloma eeee!!!!