Aotra... tsy misy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia hiteny indray aho izao hoe « speechgate »
fa izay no hitako tao amin'ny « internet »
dia ho avy hitsongoloka eo ny sasany
fa mpitsikilo ahy mantsy no lahasany

Dia raha hiteny aho izao hoe « karaoke »
hoe hira amin'ny rindrina no vakian-dramose
dia ho avy ry zalahy HVM
hanakiana avy hatrany fa tsy hanao « j'aime »

Dia raha hiteny aho izao hoe « plagiat »
fa izay no filazan-dry zalahy vazaha
dia ho avy daholo ry mpilelaka baoty
hanompa ahy amin'ny fiteny tsy maoty

Dia raha miteny aho izao hoe « copier coller »
f'izay izao no malaza sy « film » mandeha
dia ho avy daholo ny mpitady seza
hanambanambana ahy amin'ny hareza

Fa teneniko ihany nefa fa tsy maninona
ny ainga fanahy tsy milamina tsinona
raha tsy milaza izay zavatra misy
raha izay izaho hoe hangina ? … Aotra... tsy misy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
802 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0336