Arahaba an-tselika (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mikorontandrotana, toa vato ambany riana,
ny fiaingan’ny fanahiko
Ka misavoamboana toa avelo variandriana,
ireo vetso tsy navahako

mifangarongaro, ireo teny feno akotry
tsy hitan’ny sahafako
ka vorabora-bolana, litera an-teny botry
no tononkalo an-tsahako

misavoritadritaka, toa misavily “vol”
ireto inspiraka
tsy an-danitra tsy an-tany, toa fitotom-baolina
miainga miparitaka

ny tanjona irina, hitondra rary soa
an-teny tsara rafitra
kanefa dia tsy tafa, asa loatra moa
nivadika ny drafitra

koa arahaba an-tselika,
sy kopaka an-pelika
anaty horakoraka
no atoratoraka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1621 2
Mpakafy: raozigasy - kiriah
Hevitra mandeha
kiriah ( 10/02/2012 11:02)
mifangarongaro , ireo teny feno akotry
tsy hitan' ny sahafako
ka vorabora-bolana, litera an-teny botry
no tonon-kalo an-tsahako....

je ne sais pas comment tu fais pour trouver des inspirations pareil , franchement....chapeau!
raozigasy ( 10/02/2012 18:14)
> Kiriah : izaho aza ange mba gaga indraindray e
kiriah ( 10/02/2012 21:14)
hihihi!
laaris ( 05/07/2012 10:54)
Tiako,mahafinaritra le sera
ts mandany vola fa mandany lera
tsy mila miodina fa eo d vita
tohizo fa tsara l seratsika
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335