Atao inona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atao inona ny vola raha ananana mitobaka
An-tapitrisa maromaro, manampy azy harena bobaka

Atao inona ny hery, raha entina manjakazaka
Hanindriana ireo lavo, mba tsy ho afaka mitraka

Atao inona fahaizana, raha entina hanabadoana
Ireo tsy nahita lakilasy, no ambaniana sy esoina

Atao inona ny haja, sy ny rava-boninahitra
Raha entina hampitovy ny olona, amin’ireo miaina am-pahitra

Aleo dia tsy misy ihany, toy ilay tsy nisy hatramin’izay
Fa raha vao manana an’ireo dia tonga dia miseho milay
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
823 0
Hevitra mandeha
nannie ( 13/09/2013 05:40)
Tsara sady marina. Tiako io dia hozaraiko any amin'ny FB an ? Miera ihany aloha. Misaotra e !
raozigasy ( 13/09/2013 15:08)
Miarahaba an i Nannie e !!
Jereo ao amin'ny TIA sy ny Tononkalon'i Raozigasy dia ao ianao manao partager fotsiny dia vita ee
Mirary soa hatrany oo
mitantsotia ( 16/09/2013 16:41)
Marina loatra!!! misaotra ny mpanoratra.
Zozoro ( 17/09/2013 19:18)
Tena marina ny voalaza. Mankasitraka hatrany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333