Aza tsiny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nangina sy nilamina ny fanahiko ka moana
Raha nidongy tsy nanoratra, satria tsy ampy ny fotoana
Raha tsy niloatra elaela izany hetaheta anatiko
Dia aza tsininao ry embona, raha be ny vetso tsy narantiko

Raha tsy henonao intsony, tao anaty vola-maro
Ireo lahateny izay fanaoko, Angolan-teny mifangaro
Raha tsy hitanao tazanina, ireo riman-teny mba fanoratro
Dia aza tsiny re sakaiza, fa be ireo zavatra tsy tohatro

Raha toa ka rivo-dritsoky ny teniko, sisa henonao niselona
Raha toa ka embon-diso lasa kalo, no hany izaho sisa velona
Dia aza disoinao re ry soratra, fa ny fotoana tsy nananako
Tsy nahafahako mihitsy, naneho ilay talenta mba fananako

Aza tsiny ry mpamaky, ireo rangom-pohy feno hetaheta
Aza fondro ry sakaiza, mpakafy ity poeta
Fa tsy lasa lavitra aho akory, fa voaterin’ny fiainana
Ka zary ilay fitadiavana no nironan’ny fisainana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1148 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 18/09/2009 11:54)
TSY MISY TSINY....
Tsy misy tsiny Andriamatoa
Ho ataonay ahoana moa ?
Rahatoa ka tsy afaka mizara
Tsy ho tapitra ity tantara
Mbola ho ela ny lalao
Fanaontsika,fanaonao!

Tononkalo tsy mety ho vita
Ny aingam-panahy ho tafita
Aza be ahiahy akory
Fa izahay na osa,tsy ho ory

Fa miandry am-paharetana
Ilay fotoana mampanentana
Mampazoto ilay ventsonao
Hameno ny pejy vaovao !

FAHA
maeva74 ( 19/09/2009 06:48)
Tsy homena tsiny aloha ianao satria atao ahoana moa
I Faha angeh ka mba mananana talenta ihany koa e! mahafinaritra daholo ireo tokolalonao e!
Misaotra indrindra e!
Maeva74
rhina ( 20/09/2009 09:44)
misy fotoana hakana aina ihany koa ny mpanoratra e!
hanovozana hery vao²
mazotoa e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032