Dia maninona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia maninona izao, ity tora-bola hoe afon-danitra
Raha hanadiovana tanàna, ny firenena ho manimanitra
Dia maninona izao ity tora-bola hoe afo-manga
Raha handraofana ireo fako, sy handroahan-dali-manga

Tsy ilay fety no tsy tiako, f’izato repoblikany
Mihaingo ambon’ny tsikoko, mantsy izato politikany
Odiana tsy hita ireo vay, sy fery izay mamely anaty
Fa hajejoana ety ivelany, no sary mba arantiranty

Dia maninona izao, ity tora-bola hanaovam-pety
Raha hanampiana ny sahirana, ho krismasy metimety
Dia maninona izao, ity tora-bola feno zesta
Raha hitsaboana ireo marary, miharipaky ny pesta

Tsy ilay hifaly akory no halako, fa izato hara-peniny
Miharo zahozaho loatra, ka ny aretiny afeniny
Odiana fanina ny hotaka, sy ireo longoa tsara tototra
Ka ireto loza mitatao, tsy ataony maha-rototra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
862 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388