Efa ela (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela ange no niainga taminao ilay fanahy
Fa izao vao tapa-jahatra, ka niboraka tsy nahy

Efa ela ange ireo maso, taminao no nipendrana
Fa ilay zo adaladala, nikomy tan-tsiky vendrana

Efa ela ange ilay feo, taminao no te hiteny
F’ilay gejam-panajana, namehy mafy tamin’ireny

Efa ela ange ilay vava, taminao niteny irery
Fa ilay rojom-pahanginana, mbola mahery dia mahery
….

Soa fa nisy halavirana,tsy hahafahana mihaona
Fa raha tsy izany angamba, asa ! nangatahany fotoana

Soa fa nisy ny tontolo manodidina namefy
Fa raha tsy izany angamba , asa ! mety nihoarany ny fefy

Soa fa teo ny fahendrena, nanao aro-fanin-tsaina
Fa raha tsy izany angamba , asa ! be ny raharaha nilaina

Soa fa nisy tononkalo, nety nizarana izany
Fa raha tsy izany angamba , asa ! nitobaka tao ny vinany

(Aza adino fa amin'ny asabotsy 30 novambra 2013 izao ilay seho hiarahan'i Lalao Rabeson sy Raozigasy an !!! )

http://www.youtube.com/watch?v=RBhBk_tq_8U&feature=youtu.be
--------
Rohy:
965 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328