ENY RAZOKY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(fintin-dresaka nifanaovana tamin i S.O.R. tao amin ny ATRI-TAVA)

ENY RAZOKY

eny razoky
izao no toky
tsy resa-boloky
na fitak'hamoky
fa tenin-dehilahy
mijoro sy sahy

milaza miteny,
f'ilay tenin ineny
no mamy indrindra
ka enti-mandrindra
sy mandrary ny kanto
ho feo milanto,

io ilay kofehy
mandrary mamehy
antsika tsy hivoana
sy hiteny foana
ny tenin ny hafa
rehefa mitafa

ka toky no omeko
ary ekeko
fa ny teny gasy
no ampinga sy basy
hoentiko miady
eny am-bavahady

hanao haza lambo
ireo mati-kambo
miteny vahiny
sy manome tsiny
ilay tenin-dreny
tsy hainy miteny

ka raha mety ianao
andao isika izao
hikaon-doha
hanabe voho
ny fanajariana
ilay teny tiana

dia ilay teny gasy
mampangasihasy
ireo vazaha taratasy
te-ho malagasy
sy te hiteny
ilay tenin ineny
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
924 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0325