Fa hozoniko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hozoniko ianao ry fitiavana tsy vanona
Mandehana mandeha any, fa aza aty no mitanina
Fa maratra fo ny namako, ny anatiny ferena
Ianao no fototr'afo, ka tsy azoko ekena

Fa hozoniko ianao r'ilay tsy mataho-tody
Fitiavana tsy valahara, tsy ahitana fanafody
Ireo namako rehetra, mijaly mafy, mitaraina
Fa vao nahalala anao, dia te hanapitr'aina

Fa hozoniko ianao ry fitiavan-tsy voafehy
Fa nokorontaninao ireo tanora be dia be
Ka dia mandry andriran'antsy, rehefa injay hoe ka "tia"
Misaritarita-piaina ka zary maina sy mahia

Fa hozoniko ianao, noho ireo antony ireo
Fa maty hetraka ianao, ka mampiakatra toreo
Fa tena mafy loatra hono, ireo jaly aterakao
Ka naleony tsy ho ary, toy izay nahalala anao

Kanefa henoy ry fitiavana, aleo izany ho anareo
Fa fitondrana teny ihany, ilay resako vao teo
Fa raha izaho manokana, very aho raha ilaozanao
Fa lafadafatra ny fiainako, rehefa miaina anilanao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1184 0
Hevitra mandeha
zavotany09 ( 07/01/2011 16:42)
Ny ngeza ngeza ihany....mankasitraka....mety hisy ve fihaonana na an-tsoratra aza ???
Soarilala ( 09/01/2011 07:50)
Marina izany fa lafatra ny fiainana anjakam-pitiavana!!!
tiarah ( 21/01/2011 10:48)
Tena henjana kosa izany ry Raozy a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0342