Fasan'ny talenta (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
teraka sy niainga avy amin'ny eritreritry ny namana mpanakanto iray

Lasa fasan’ny talenta i Madagasikara
Noho ireo kanto maro tsy voakarakara
Satria ny mpanakanto voaterin’ny adidy
Ka ilay talenta tsara, voapetraka tsy fidy

Lasa fasan’ny talenta I Madagasikara
Satria ireo mpanakanto, tsy mahazo izay anjara
Sandan’ny asa kantony, fa voadingan’ny mpandika
Ka tsy afaka manoatra, satria ts’isy aroriaka

Lasa fasan’ny talenta I Madagasikara
Satria ireo mpaka tahaka, mampiasa fitaovan-tsara
Ny mpamorona indray, avy eo mangataka atiny
Dia eny rehetra eny no milevina ny fatiny
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
796 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032