HAFATRA ADALA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo aho ry aiko, naharay ity taratasy
Ankona ilay fo, sady nangasihasy
Naharay izato hafatrao, mametraka sahady
Taintainam-paharesena, any an-tanin’ady

Sahirana fanahy, sady torovan-tsaina
Misaina ny amintsika, ka feno feritr’aina
Hivavaka aho ho anao, sy ho an’ny fireneko
Ny adidy nekenao, andraikitra nekeko

Aza misaina akory, izay hoe lavo an’ady
Ataovy mankahery, hoe miandry anao ilay vady
Ataovy ampinga fiaro, ilay dinatsika roa
Ny fitiavako anao, ataovy aro loha

Vonjeo ny tanindrazana atreho ny adidinao,
raha ilain’ny firenena , izao sorontsika izao,
tsy ho irery ianao, raha sanatria ka lasa
f’iarahako aminao, ireo voavola sy kinasa

ilay hafatrao adala, hamela ahy handeha
tsy hamelako anao, mba saino kely ange
fa raha tsy tonga ianao, dia any isika mihaona
ka ho antsika roa, ny tontolo no hisaona
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033