ILAY FONAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FONAO

Ilay fonao nangitakitaka
Hampitoneo na voky fitaka
Ilay fonao masiaka tempo
Tambazo ihany na voapepo

Ilay fitiavanao voakapoka
Resaho mora tsy hiakarapoka
Ilay fitiavan-te hikiaka
Hampangino tsy higiaka

Ilay fonao sasa-miandry
Aleo re mba handrihandry
Ilay fonao te hikonina
Iangavio re mba hionona

Ilay fitiavanao voasongona
Alamino mba hitombona
Ilay fitiava-mitaraina
Hamafiso ny herin-tsaina

Ilay fo lavo re areno
Izay fo triatra koa afeno
Ny anjaranao tsy mbola dila
Ilaozy re izay mampifila
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1268 2
Mpakafy: endrika01 - aikon
Hevitra mandeha
raozigasy ( 27/08/2008 11:31)
Ho setrin ny tononkalon i Pissoa hoe ITY FOKO
aikon ( 01/11/2008 07:43)
na dia tsotra aza fa milaza zava misy dia mafinaritra ary maha sintona tanora izay mitady hamoy fo noho ny fitiavana tsy tanteraka

misaotra tohizo fa tsara
pissoa ( 16/03/2009 12:01)
Misaotra eeee !
Raherizo ( 29/04/2009 10:57)
mba inspiraka koa ny an'le mpanoratra tamin'io an
raozigasy ( 02/05/2009 12:48)
hita hoa kou
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333