Indraindray koa … (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko izany tsy haiko, toa mangorangorana
sa ilay tselatselatra, miampy rotsak'orana ?

Ny saiko izany kivy, toa tsy mahatombina
sa ilay malok'andro no mampanjombonjombona ?

Ny aiko izany reraka, toa tena valabalaka
sa ilay volon-davenona lokon'ny habakabaka ?

Ny anatiko toa tsy haiko, fa feno fahabangana
sa ilay hira no mamelona embona an-tanàna ?

Ny lohako mavesatra, hitako badenina
sa ilay tantara lasa no mampitsako nenina ?

Ny vatako domelina, toa vavony noana
sa ve manimanina, ireo tsiahy nimoana

Ny tenako toa kivy , feno fahontsana
ilay ranomaso io fa mila tsy ho tana

sssss, aleo koa amin'izao , indraindray koa mba kivy
indraindray voasary mamy, indraindray koa mba marikivy

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
888 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324