Indrisy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay antsontsika iny, nifanaovana tsy tana
Dia mbola sarina fitia, voararan’ny lalàna
Nefa dia natao ihany, noho ny antony tsy hay
Sa fitiavana nifoha, no saika hiredareda indray ?

Ilay antsontsika indray maraina, tsy nifanome fotoana
Toa tarataratra fitia, mbola maniry ny hihaona
Ary ilay am-polo taona, izay nanelanelana azy,
Dia mbola sarisarim-ponja, nivoahana nanefan-tsazy

K’ireo tsiky tambitamby, ireo tamberin’ny fahiny
Raha maniry te hiverina, inoako angamba tsy ho tsiny
Fa ny antony efa fantatra, tsy nahafahana manohy
Dia ilay halaviran-tany, mpandrava laka irony rohy

Ka raha nofy hoy ianao, ka nanaovanao indrisy
Ny tantara ho tantara, sarotra atao tsy nisy
Ka ny saina no alamina, ny fiainana mitohy
Ny antsika re no lasa, ny hafa maro eo hifanjohy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
945 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341