Indro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro lehilahy, efa zokinjokiny, nahazohazo taona
Manaranara-drindrina, mikisaka famindra, manao fandeha noana
Manajobo satroka , manafinafin’endrika, ny tanana ao am-paosy,
Toa mirenireny, nefa misy tanjona, kanefa dia kabaosy

Indreny koa jerena, andian-tovovavy, jefijefy rakotra
Kevoka fihetsika, mikakakaka feo, tsy misy iray mba matotra
Manao akanjo fohy, sy manasa-pe, zara raha mitafy
Miedinedim-bezy, mampidera andilana , tsy mba mihafihafy

Dia iny ilay zokiolona, nanohitohy ny diany, sady kaodikaody
Nanantona ny iray, sy mitanintanina toa manao hoe haody,
Dia niresa-betivety, dia tojo jery avona, dia nifindra toerana
Dia niova lasy, ka tery am-pita indray, no niserantserana

Fa toa nety angaha ny resaka, fa toa nifampitsiky, dia nifanarakaraka
Ny jery amin’io, havia sy havanana, sao misy ve manaraka
Dia mifanjohy tsy lavitra, dia ireny samy dila, tanaty lalantsara
Ny tohiny tsy hitako, tsy novinaniako akory, ka tsy haiko izay ambara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
997 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
kiriah ( 02/08/2011 10:56)
zay le le hoe talenta an !!! voazavanao tsara mintsy, mahita atao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329