IRAY VOLANA . . . (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iray volana izay
Eny, iray volana monja
Ilay isika samy may
Nidobo-po nanonjanonja

Iray volana izao
Nefa toa efa zato taona
No notiaviko ianao
Ary ho tiako , tiako foana

Iray volana izay
Ilay antso an-tariby
Ianao naheno tamin’izay
Avy hatrany koa dia tia

Iray volana sahady
Ilay sarinao nihetsiketsika
Ka ilay foko vaky tady
Tam-pitiavana bosesika

Iray volana izay
Nefa tena vao omaly
Ilay isika samy “samy”
Samy feno falifaly

Iray volana miandoha
Iray volan’ny Fitia
Mitohy, hitohy hatrany koa
Tsy ho tapitra fa dia Doria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
966 1
Mpakafy: nancy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337