K'aiza k'aiza (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
K’AIZA K’AIZA
(Dridridridrin’ny dimbaka Gasy iray eo Ambohipialanaina)

K’aiza k’aiza izy izany ry lery,
Efa koboko ianareo vao tery
Mba siriho fa aty misy hadehaka
Tena ramaka aho izany misanehaka.

Misy mbala manja be izay hitako
Ao am-bovo izy izao, k’izao no fikako :
Takalo maizina roa monja ihany,
Donaino maika fa ambany be izany.

Angaha tsy gidra ity fiainanay ity
Ny drala azo dia mivadika ho pi
Miaraka amin’ny maina , oy, milay
Fa ny ankoatra izay: mahafay.

Raha ts’isy paika, aleo jokotra
Izay kandra ts’isy saosy hahasomokotra?
Ity paika indray mandeha: fananam-be;
Fa raha tratra: tonga soa Ambondrombe!

K’aiza k’aiza izy izany ry lery
Efa koboko ny…hiandry ahy arў,
Aleo ny tary hanala azy faramparany
Alohan’ny fahavitan’ny tantarany.

Gaodraka aho ry namana ka ampio a,
Lamy iray monja ihany, d’hipitsiho
Mba atao kaly kely midegà
…K’aiza k’aiza, ialao tany fa pirà….

HAJAINA okt 98

K'aiza k'aiza : Fomba fiarahabana (Salut)
koboko : Hitako
Siriho : Mba jereo
Hadehaka : hamidy
Ramaka : Noana
Mbala : Lamba (akanjo)
Am-bovo : An-trano
Fikako : Tetiko
Maizina roa : Roa alina (ariary)
Donaino : Raiketo
Drala : Vola
Pi : Toaka
Maina : Rongony
Jokotra : maty
Kandra : Asa
Gaodraka : reraka
Lamy : Roanjato ariary
Midegà : Ratsiratsy
Pirà : Pôlisy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
955 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/07/2009 12:53)
K'aiza k'aiza ,

Zanahary anie hitahy
Ireto ngolin'ny tsinahy...
Nirilala ( 01/08/2009 07:49)
Misaotra e, mahatapa-tsinay. Misaotra koa @ fanazavana ireo teny marobe ireo. Mankasitraka an'i Hajaina
maeva74 ( 01/08/2009 16:58)
K'aiza K' aiza milay ilay vetso lery e! Mba mangalatahaka koa e!
Mahafinaritra dia mankasitraka sy misaotra
Mysento ( 02/08/2009 11:37)
K'aiza k'aiza ny poeta,
rehetra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.058