Mahita angano (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io indray izao ianao s'ilay FB fa efa tenenina,
impiry aho moa milaza , mba « moderer-o » ihany, fa manao bemarenina
jereo ity tononkalo ity, izay zava-nolazainy dia ianao mihitsy
tsy asiany salasala, fa dia tantarainy, tsy mitsitsitsitsy

Izany no midika, fa efa mahita anao, izao tontolo izao
hoe vao lasa aho miasa, dia io fa FB no hiondananao
mba nojereko ihany ilay « statut-nao » hoe tsy « connecté »
fa tena loza mihitsy fa ilay « tchat »-dresaka tena maitsobe

notazaniko maraina, niverenako hariva, fa tsy miova mihitsy
ny « partager » ny « j'aime » ary « commentaire » tsy mba vitsivitsy
ny fosafosakely, sy ny resaka an-jorony moa dia gaboraraka
ny sary sy ny « geste », « regime », lamaody, koa miraradraraka

ireo sarikely, feno tsiky sy vanitika, intsony tsy lazaina
ilay ankihibe manga, izay mitsangan-jery, mahalasa saina
ireo fanafohezan-teny maro isan-karazany tsy haiko koa izay dikany
ireo « mot codé » sy ireo « mot de passe » tsy haiko koa izay fikany

dia eo no lanianao ny androatokon'andro, tsy vita ny lahasa
ny korontana ao an-trano, tsy misy voampirina, ny lovia tsy misasa
ianao mba manantena hisakafo tsara rehefa vizaka hariva
hay mbola « pizza » indray, no »commandin »ikala, misy « jambon » sy « olive »

jerena re ny douche, fa mbola feno rano anaty baignoire
ilay savony nianjera sy latsaka anikeheo, tena modaka tsara
ny ao an'efitrano, tsy lazaina intsony fa tena « barbès »
tsy aminao mihitsy, angamba no ahitana, ilay milamina misesy

….

dia miitatra eo ny resaka, dia mivadika famaly, « sermon-na » kabary
dia asiana sira kely, dia loarana avy tany, ireo « dossier » maharary
raha tsy izany moa dia samy mangina samy mandray « tablette »
efa tsy misy intsony fa tantara taloha ilay mikaly « tete à tete »



ny anao izany foana, izay zava-tsy vita no teneninao
fa ny zavatra mba vitako, tsy hitanao akory, toy ny tsy natao
dia raikitra indray, « lonjilonjy-party » eraky ny trano
dia avy eo Raozigasy sy ny tononkalony no mahita angano

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334