Malagasy foana ianao (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ho fotsy fihodirana, fa notsatsoin’ny hatsiaka
Na hiteny teny hafa, noho ny fiampitana riaka
Na hiaina fivoarana, noho izato fandrosoana
Dia Malagasy foana ianao, izany tsy azonao soloina

Na ho vazaha ny taratasy, ka ny anaranao vaovao
Na ho ary fomba be mihitsy , ny kojakojan-tranonao
Na hiadana am-pitaovana, noho ireo karazan’hai-tao
Dia tsarovy foana foana fa mbola Malagasy ianao

Na ho vazaha ny namanao, any am-piasana sy birao
Na ho vazaha ny serasera sy ireo fifandraisanao
Na ho vazaha ny fangatahana ao anaty vavakao
Dia tadidio fa Malagasy ny ra mikoriana anatinao

Koa ho anao Ramalagasy, izay nandao ny firenena
Izay rehetra mila ravin’ahitra, noho ny adidy izay nekena
Dia tsotra ny hafatra sy teny, ampitaina sy zaraina
Malagasy foana ianao, raha mbola velona sy miaina
--------
Rohy:
4246 7
Hevitra mandeha
benasy ( 21/07/2009 15:47)
Sady tsara no kanto... Ampy hisainana ireo voalazan'ise ireo.
nyratsima ( 22/07/2009 14:27)
tena tsara tokoa ! mba faniriako tokoa ny hitana ny mahamalagasy na dia antany lavitra be aza e !!misaotra e !
Zozoro ( 23/07/2009 11:49)
Tsy azo arina na hodina tsy hita ny maha malagasy ny tena n'aiza n'aiza toerak'ilasina. Mbola mikoriana ao ny rà maha ianao anao, maha Malagasy anao...Dia hodina tsy fantatra ve ??? Tsia dia tsia. Aza hodina tsy fantantra na ampadeferina, ary aoka tsy ho ambanina.

Misaotra Raozy. Kanto tokoa ny haingam-panahinao.
Crionlas ( 03/08/2009 12:33)
Fière mints tsik fa GASY an!
Tsara re ol e!
marozevo ( 03/08/2009 15:23)
Tsara dia tsara ny hevitra voalaza, ary ekena fa tena marina. Ny paikan-tononkalo kosa mila hatsaraina na dia efa mety aza.
verozoky ( 03/11/2010 18:17)
misaotra betsaka fa tena tsara eh
Rasobakobako ( 03/02/2011 08:39)
Tiko be le tononkalo Raozigasy a!
satria a ! mampalaelo be ny mahita fa be dia be ny malagasy tsy mahay miteny gasy.
Nefa a! ny karana, na dia mbola tsy nahita ny tanindrazany aza, dia tsy very mihitsy ny teniny. Tsara ianarana ihany a! ny zazakely karana mahay fiteny telo sahady, satria ny reniny miresaka aminy amin'ny teny frantsay, ny rainy amin'ny teny karana, ny mpanampiny amin'ny teny malagasy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 21/07/2009 15:01
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313