Mety … (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ho foana ny paosiko, ka tsy hahavidy zavatra ho anao
entina hanamarihana, izao tsingerina izao
mety hoe tsy hisy ny vola, hisandam-panomezana
atolotra amin'ny andro anio, ka zary lasa fihomehezana

Mety hoe izay no tranga, mety hoe izay no banga
fa ny teny sy tena sarobidy, abariko eto hirangaranga
dia ny foko, mifeno fitia, milaza aminao tsy mihamba
ilay fitiavana madio sy feno, tsy fantatry ny angambangamba

ny amboara ambarako anao, dia fitiavana feno no atolotro,
tsy antonona ny noanoa, tsy ampy lazain'ny molotro
fa fitiavana feno sy ngeza, ao amin'ilay tena matavy
tiako sy tsy foiko ianao, mba marina ange ranabavy

ka raha mihoatra an'ireo, izay zavatra atakalo vola,
rahampitso dia rava sy simba, hihintsana toa loha sola,
fa ny foko izay henim-pitia, tsy hiova toy ny hatramin'izay
fa anilanao tsy hiala, hitia anao mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1095 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.034