Mifona e (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fifonana kely ho an'ireo namana nandefa MPIalako tsiny aminareo rehetra na dia mampihomehy
f'ilay tononkalo tsy nosoratako hoe ho an'olon-tokana
na hoe natolotro ho an'olona miavaka mitokatokana
fa tononkalo nataoko mihitsy ho an'ny daholobe
ireo an-tapitrisa sy maro dia maro manao FB
ka safo-be mantsina, ny hafatra an-tsoratra natao tao
fa tsy nasiako anarana miavaka hoe ianao
dia manararaotra, miala fondro, manao azafady
ho an'ilay tononkalo, raha tsy mety aminao fa nampiady mivady
tsy fanahy iniako rey olona iny, fa ainga tsinahy
ka miala tsiny aminao re madama, raha tsy faly rangahy
ho an'ireo namana izay mpaka fy, ka miombon-tsetsetra
ity no hafatra kely sy bitika, ho anareo rehetra
Raha misy tononkalo soratako eto ka hoe mampihomehy
asio sonia aloha hoe « Raozigasy » vao « mi-partager »
ho an'ireo hafa, tsy mahalala ny anton'ny « thème »
ity ny azafadin'ilay tononkalo hoe « omeo j'aime »
izy ity moa nivadika ho resabe sy tantara mitohy
ka omeko eto ambany eto ihany ilay izy raha hamaky ny rohy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy