Mino anao tanteraka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola setrin'ny "raha toa tsy mino ianao" nosoratan'i kiriah ihany ee

Mino anao tanteraka ny foko sy fanahiko
Ary tsy misy akory izay kely hoe ahiahiko
Fa ny masonao , ny fonao izay mitia
Dia efa hahatsapako, ilay herin’ny fitia

Fa adala aho ry fitiavako, ka te hanantitrantitra
Sy te hamerimberina, ka tena ho tsara ranitra
Ka fitia hitsingerina an-jato taona maro
No ilanosantsika, miara-mifangaro

Tsy porofo no ilaiko, fa efa ampy ireo
Tsy ilaiko akory ianao, hiteny hoe jereo
Fa verimberin-teny, ilay mamy sy tsy foiko
Hoe ny fitiavantsika, kajiako sy koloiko

No tiako isambarana, ilay fitiavana mitia
No tiako itambarana, ilay fitiavana fa tia
No tiako ho alo-tsary, isan’andro mihavao
Sarin’ny fitiavana, fitiavako sy ianao
--------
Rohy:
944 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978