MISY ANDRO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY ANDRO

Misy andro indraindray
Zary toa mifamotoana, ny olana sy ny ankaso

Misy andro indraindray
Toa ianao irery foana, No milatsa-dranomaso

Misy andro indraindray
Mikomy aminao daholo, Ry Fitsikiana, sy ry Faly

Misy andro indraindray
Manjombon-dava ny tontolo, Feno atambo, loza, jaly

Misy andro indraindray
Fanirianao ny ho faty, F’ efa tofoka hakiviana

Misy andro indraindray,
Feno ny kapoaka anaty, hiboka ny fahoriana

Rehefa sendra izay ianao
Dia mandohaliha, ka mivavaha, ary miandrandrĂ  ny lanitra

Rehefa sendra izay ianao
Dia akaro ny fanahy, fa hihaino anao Andriamanitra
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
932 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
rasobakobako ( 17/04/2009 13:48)
Misy andro indraindray
ahatsapako fa hay
tsy izaho irery kay
no misaina toy izay

Tafiditra anaty ny tononkalonao, misaotra e!
raozigasy ( 20/04/2009 23:57)
tsy misy fisaorana e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0357