Ampidiro aloha ny tenimiafina
Misy kasikasika (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe Misy Misy kasikasika, misy safosafo
atosiky ny orana, miraraka ao an-tafo
Misy tohotohoka, misy fihimpihina
asesiky ny feon'ny tadim-pitia kitihina
Misy langolango, misy tambitamby
atakalokalo, an-java izay somamby
misy angolangola, misy dongidongy
vaitra naka vaika nasolo longilongy
Misy fikipikitra, misy tsapatsapa,
ao anaty haizina, nefa tsy miraparapa
misy rotsa-tafy, misy latsa-jaika
mikorotsaka miadana, tsy misy mahamaika
Misy fànafàna, izay misongasonga
sangisangin-teny, misomongamonga
Misy hotrakotraka, miharo batabata
misy ladilady, toy ny any anaty akata
...
Misy lokiloky,
feno tokitoky
sangy ataony an-droky,
rehefa vokivoky
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy
