Mitsikilo bika (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo ambony vato, amoron-dranomasinaIny izy fa nikisaka sao dia mitsikasina
Nakanaka sisiny sy toerana avoavo
Nefa manatrikatrika, ireo mitsotra lavolavo
Ny masony amin’io ,anaty solomaso
Mangalatra mijery, manao malasolaso
Ny loha tsy mihodina, ny maso nefa ranga
Vao mahita tafy, somary jangajanga
Dia iny fa nandeha, nanaranara-morona,
Mitaritari-tongotra, mody milalao ny orona
Nefa ny jery vilana, mahery dia mahery
An-tsolomaso mainty, mantsy izy no miery
Dia manararaotra, ireto maso adala
Mijery mpilomano, tsy misy mahalala
Ireo mpitanin’andro, no haza tena tiany
Indrindra ireo nanala, ilay tapany ilany iny
Ireo namany rehetra tao anaty rano,
Miresaka azy hoe, jereo ange tazano
Ny azy izao foana, mody hoe mangatsiaka
Nefa ny tena marina, mitsikilo bika
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy