Nandalo analakely (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo analakely, dia nahita demozely ; tsara toy ny anjely,
Dia nanara-maso, saika hanao andraso, fa sao ho eny ankatso
Kanjo voaharika, sy nahazo remarika, fa tsy bandy fitarika
Kanefa tsy niala maina, fa nampiasa saina, fa tsy te hangaina

Dia nanarakaraka, tsy nety nibaraka, mikendry ny ho tafaraka
Nampiasa coco, sao ilay bajo, mahita ahy mba beau
Dia mody nilamina, nihaminkamina, sady nijanona
Dia nahazo jery, hoe io fa irery, efa saika very

Dia nomeko ny tsiky, sy ny vikiviky, hoe ahoana iky
Ka somary nihomehy, nitsiky tarehy, hoe misy inona ange
Dia nibalarora, tsimoramora, nanao adin-dramora
Ka lasa sy tafa, tsy nihafahafa, ny kozy sy tafa

Dia nony avy eo, jereo fa indreo, nijanona teo
Fa hiakatra hody, fa iny efa tody, ao an-trano ilay fody
Dia nanome finday, dia hoe io fa nilay, ilay kozy amin’izay
Dia nampiana kopaka, tsy an-koropaka, na dia nihotakotaka

Dia vao dila, dia nanandrana nila, niantso nipilapila
Hay ilay finday, ka tsy nisy nandray, asa fa tsy hay
Hay tsy mandeha, ilay laharanabe, ka dia nampihomehy
Dia nisafo loha, akory fa voa, atao ahoana moa
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
645 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328