Nandrezatra fitia (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sarita-bolony iny, tsy diso hogo iny akory
Na nasaritaky ny alina, nasavoritaky ny tory
Fa tojo ridan’ny fitia, sy tadion-drotoroto
Ka tonga dia rava lamina, sy ratsy bango nisafoto

Ilay halali-masony iny, tsy vokatry ny ari-tory
Na sendra adin-tsaina lalina, na tarazon-tsorisory
Fa lanaky ny sitra-po, valaky ny herisetra
Ka zary sary mandroroa, izay tazanina rehetra

Ilay halemeny sy hamodahany, tsy tambin’asa velively
Na havizanam-pitadiavana, na harerahana mamely
Fa sandan-tolona sy bata, vokatry ny ambany ambony,
Ka ana, vizana, torovana, toa tsy mana-kery intsony

Ilay feo malefaka fiteny, tsy hafatr’olona miala aina,
Na fiangaviana feno hataka, na antso an-tany karankaina,
Fa valin-kiaka, saran-tsefo, akoakon-drovi-tsihy,
Noho ilay tenda mbola maina, difotry ny hiakam-py

Ilay torimason-jazabe, tsy fidiny na hoe niniany
Na tambatambatry ny alina, fotsifotsy nodifiany
Fa tsotsotran’efonefona, ala-sasatry ny fy
Rehefa iny izy voky, ka nandrezatra fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
955 2
Mpakafy: hery - Iavotraina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328