Nankaiza ianao Rangahy Poeta (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao Rangahy Poeta
No kaokam-betsovetso sisa
Sy sentosento lany visa
No asetrinao ireto hetaheta

Nankaiza ianao Rampanakanto
Fa ilay tambin-teninao mpanentana
Lasa rivo-maina mampangetana
Ka valan-kalo no voaranto

Nefa ianao toa eny ihany
Lasalasana vinany
Lasam-borona any ho any
Ka betsaka ny manontany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
875 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326