Nankaiza ianao ry Aingam-panahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao ry Aingam-panahy
No taratasy fotsy sisa
Hafatra nomenao ahy
Hiantsoako visavisa

Nankaiza ianao re Ravinany
No tsy hita hoe miserana
Ny rima aty an-tanan-dany
Ireo voambolan-toa noferana

Nankaiza ianao ry tononkalo
No tsy mitsidika mamangy
Ela tsy nandalondalo
Ela tsy nisangisangy

Nankaiza ianao, sa very dia
Sa mbola sondriandriana
Ka gaga ireo mpaka fy
Hoe tsy misy zavatra vakiana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1016 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 08/07/2011 15:26)

Rahatoa ianao mifoha, taitra sy hendratin'
ny rezatry ny nofy! ... dia aza atao tsikaritro
F'izaho aty salanitra, minosana ao anatin'
ny valabe sy riakan'ny nofinofy mamiko


Aty ny eritreritra, galabon-tsy mba revo
Tsy mahalala akory ny hiaky ny andevo
Mangina ny filàna, tony ny hetaheta
Foana aty sakaiza ny tolon'ny poeta !


hatramin'izao aloha, dia tsy voavinavinako...
ny antony sy dikan'ireny fahanginako !
inoako anefa mako, fa tsy maintsy ho reko
ny antso antso, miako! ataon'ny fireneko;
hiara-hikiry aminy, na aiza tany hitsahiko...
satria ny fahafahany, no hany fahafahako.

...fa mbola hihira isika!
hisolovava ireo
mangina an-tapitrisa
fa tsy miloa-peo...;
Hamolaka eritreritra, tsy ho azony visaina
Hitety ny eto an-tany, onja-nofy sy taraina

Koa raha mangina ny poety! Moa mba fantatrao ny valiny
Tontolo iray tsy misy akory no andaniany ny lamakony
Ao...! ny ampahaarivony ihany no ambarany fa aliny
Fa ny akon'ny mimaonany; no vava-asa tena kantony!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328