Naparasany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa naparasaky ny foko
Ilay fitiavana tanatiny
Ireo dongy sy henatra nioko
Tonga dia nampirongatiny

Dia naboraky ny vavany
Ilay fitiavana nafeniny
Ka ilay sadaikatry ny tavany
Taratr’ilay feo teneniny

Satria tia anao ny fony
Fa tsy hainy nogejaina
Tsy voafehiny intsony
Ilay fitia niferitr’aina

Ka naparasany ny fony
Sy naborany hivoaka
Ilay fitiavan-tsy nitony
Ka dia farany nipoaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
807 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
tiarah ( 29/07/2010 04:49)
Hafa kely indray ity endriky ny tononkalo ity ,

Te hitroatra dia nipoaka ka nomeny ilay tiany
Fa efa ela loatra mantsy no efa mba niriny
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0325