Noterena (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noteren’ny alaheloko hanoratra aho androanySy hilazalaza koa ireo vesatr’embon’ny vinany
Ireo toloko mifangaro, tsy fahafahana manoatra
Ny fiainanao ry fireneko, kely sisa dia any an-koatra
Noteren’ny hanin-dava, rehefa maheno vaovao
Hoe mijaly hono ianao, fa atao izao sy izao
Velona sy mitsipozy, anaty rofy sy adin-tsaina
Tena henoko hatrany ilay feonao izay mitaraina
Noteren’ny tsiaro, sy ny fahiny fahazaza
F’ ireo fitovoana very tany , no nanaitra sy nilaza
Hoe ny ho avin’ny tanora, sy ny ampitsony ahoana ?
Mbola ho poti-dava ve , sa hatanorana feno saona ?
Noteren’ny foko aho, hivavaka ho an’ny firenena
Hiainany raha azo atao, hasambarana hay jerena
Dia ho tany tena sambatra , toy ilay ventesina an-kira
Ilay madagasikarantsika, ilay fireneko sisam-bira
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - Tanindrazana
Mpakafy:
raozigasy