NY AMPITSO (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Hery hoe NY AMPITSO Omaly isika olon-droa
Samy nanana ny lalany
Samy nanana ny tanjony
Nanana izay fahazarany
Nanana izay fibanjiny
Androany isika olon-droa
Nefa roa mitokan-dalana
Sady roa mitovy tanjona
Minia mitovy fahazarana
Miezaka hitovy banjina
Rahampitso isika hitombo
Tsy ho roa intsony fa hihena
Satria ny voady izay hekena
No hampitambatra ho iray
Ireo roa hatramin’izay
Rahafakampitso hanao ahoana ?
Ilay roa nanjary iray
Hihena sa hitombo indray ?
Ny kajikajy atao manaraka
Dia fampitomboina ny taranaka
....
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy