Ny foko ange tsy fandriam-bahiny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko ange tsy fandriam-bahiny
Ka hamantanantanan’ny azon-tsiny
Hoe taraiky tany, dia aty no mialoka
Ka ho zohy fieren’ny azon-kapoka

Ny foko ange tsy amponga mihantona
Ka voa any ianao dia aty manantona
Hoe io hijanona eo foana
Ka hiselontselonana rehefa noana

Ny foko ange tsy “roue de secours”
Ka rehefa vizana torotoro
Dia aty no mitanina maka ambiance
Sao dia mba mivadika bonne chance

K’ilay filan-draha raha tsy mahita
Ilay hoe tonga aty rehefa vitavita
Aleo faranana amin’izay
Sao hivadika hafa ka hahamay

Aza mba mihevitra azy ho donto
Fa raha tezitra ange io ka mivonto
Dia tonga ny sainy koa dia maloto
Ka mampiasa hevitra botoboto

Ka dieny tsy tonga amin’izany
Zory ny lalana , mialà any
Ianao sy ilay fihevitra ambany
sy ilay resakao be vinany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
859 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 22/05/2013 12:29)
Ny foko ange tsy fandraisam-bahiny
Ka matoa nisy iny zavatra iny
Dia tsy kosa hoe fanahy Iniana
Fa nifanarahan'ny tia sy ny tiana


Zozoro ( 23/07/2013 15:45)
Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0343