Ny seza hitady anao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny seza hitady anao, fa ianao kosa hiandry
« Slogan » manara-penitra, navoakan'ilay zandry
raha resadresa-tseza, efa ela izy no « fan »
ketrika ilay mampifila, miala pà sy mody fanina

izay no lesom-baovao, kabary atao aloha
tsy atao « copier-coller », toy ilay teny Iavoloha
fa rindra maty paika, nampiasana ny voanio
ka apetrapetraka eto, amin'ity resaka anio

voaray fa misaotra , ireo CV sesehena
tsapa ianareo, fa tia ilay firenena
rehefa novakiana, lenta be kalitao
toa anareo no ilaina, mamadi-palitao

resaka « motivation », izay rehetra nojerena
dia te hoe « affecté », fa 4x4 omena
ny « indemnité » sy solika, iny moa mazava ho azy
tsy toy ny an'ny rehetra, amin'ny maha-minisitra azy

ny « pretention » indray, fijery vaovao
tsy toy ny teo aloha, miova kely ny fanao
tsy atao ariary intsony, fa « euros » sy « dollar »
hampahazoto miasa, ny zanaka MAPAR

Dia hojerena akaiky, ary ovaina sahady
ireo tsy nety teo aloha, sy ireo fomba fiady
aleo manetry tena, ts'isy tambin-karama
ny BIANCO foanana, fa aleo mibizna karana

izay tompokolahy, izay tompokovavy,
ny santatra anio, manetsabe mbola ho avy
maro ny asa miandry, iandraiketina amim-paly
tsy maintsy hanome « mission », fa be ireo jeneraly

dia hitohy ny famakiana, sy fandraisana CVn'
ireo tampom-pahalalana, nihoatra Oniversité
izay tsy mila hamarinina, fa tena ara-dalàna
raha misy hafahafa, indraindray koa misy fahagagana
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1030 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0386