Olana vaventy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsy fahampian’ny sakafo
Tsy taka-bidy sady lafo
Dia itsikianao hoe “regime”
Fa ianao mitana “ligne”

Ny fahalafosan’ny fitafy
Ka mahatonga anao mihafy
Mbola vitavitan’ny sinoa
Sy fripy etsy sy eroa

Ny tsy fisian’ny lahasa
Ka mahabe ireo tsy an’asa
Mbola vitan’ny asa tanana
Manampy kely izay tsy ananana

Ny fahaverezan’ny fanahy
Ireo finoana mivahavaha
Mbola voatantin’ireo sekta
Ka mba tsy betsaka ny Perte

Fa ny tena olana vaventy
Mahatonga ilay fiainana tsy mety
Dia ilay olam-politika
Tsy ahitan’ny gasy fika

Fa raha vao io izao no milamina
Dia mba afaka hihinan-kanina
Sy mitafy tsaratsara
Ry zandrikely sy ry fara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
900 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0364