Omeo ahy (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo ahy ho lesona , ny fahaiza-mahatokyHahaizako mifikitra, manara-dia Anao
Omeo ahy ho anatra , ny teny mahavoky
Hahazoako manantena, isan’andro izao
Omeo ahy ho taiza , ny tolo-pahendrena
Hahafahako manomboka, fiainana vaovao
Omeo ahy ho kolo, ny didim-panekena
Hanohizako ny hoaviko, miaraka Aminao
Omeo ahy ho hery, ny finoana Anao
Hanadinoako anio, ny sedra izay mandemy
Omeo ahy ho aina, ny fitiavanao
Hamoizako ireo ota, sy zava-dratsy ireny
Fa Ianao ihany Tompo, no azoko hamaharana
Satria Aminao, ny fiainana no hifarana
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiderana - Aingam-panahy
Mpakafy:
raozigasy - felitchita