Paradisa (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Paradisa hono, dia any an-danitra anyAkaikin’Andriamanitra, lavitra ny tany
Kanefa raha ny tiako, dia aleo dieny eto an-tany,
Dia efa mba misantatra, izany Paradisa izany
Na dia samy hanana, izay paradisa iriny
Samy te ho sambatra, amin-java-tiany
Ny an’ny manam-bola, filaminan-tsaina
Fandriana am-pahalemana, izay no tena ilaina
Ny an’ny mahantra, vary misy laoka,
Akanjo tsaratsara, rehefa mba mivoaka
Ny an’ny marary, aina lavi-pery
Tsiky anivon-kavana, fa tsy mitoetra irery
Ny an’ny ray sy reny, zanaka tafita
Feno fahendrena, ny sori-dalana hita
Ny an’ny ankizy, lehibe mifankatia,
Mpianakavy sambatra, fa miaraka miria
Ny an’ny mpampianatra, mpianatra mahay,
Ka tsy hisy hamerin-taona, fa hiova hafa indray
Ny an’ny mpitandrina, vahoaka be finoana,
Sy matotra fanahy, ka feno fanompoana
Ny an’ny mpampiasa, mitombo ny asa atao,
Ka ny fidiram-bola, ho tsara noho izao
Ny an’ny mpiasa, hihamaivana ny andraikitra
Hitombo ny karama, sady ho mpiasa raikitra
Ny an’ny mpamboly, ho fararano lava
Ka ho feno ny any an-tsompitra, ho be ny ambim-bava
Ny olona rehetra, dia efa samy manana
Izay paradisa, heveriny ho an-tanana
Fa ny ahy ny paradisako, efa iainako sy iananako
Dia ilay tokantranoko, ny vadiko, ny zanako
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
Soarilala
(
24/05/2011 15:30)
Mitovy izany isika, fa ny ahy koa ohatr'izay.