Raozigasy anie (raozigasy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raozigasy anie, raha toa ka mizaratsy hoe faly hitsikera, na faly hikafara
fa nisy tranga tao, nisy raha voadinika
mety hoe vaventy, mety hoe madinika
Raozigasy anie, raha toa ka manoratra
tsy hoe faly te hiteny, sy hanabe faroratra
fa nisy jery tao, nisy topy maso
mety ho atambo kely, mety hoe ankaso
Raozigasy anie, raha toa ka mitantara
tsy hoe faly te hilaza, hoe ny azy no tsara
fa nisy tsiny, tao, nisy koa fondro
ka izy tsy nisala, avy dia nanondro
Raozigasy anie, raha toa mi-tononkalo
tsy hoe te hahazo « fan », na mitady fahavalo
fa milaza fotsiny, izay fomba fijery
raha tsy nety taminao, aleo re ho azy irery
Raozigasy anie, matoa ianao voadona
dia nahatafita hafatra, ka izy tsy hifona
fa ianao izay mamaky , no mandray izay tandrify
ianao izay tsy mahazaka, no tsara raha midify
Raozigasy anie, mahatanty koa tsikera
f'ireo izay nitora-bato, mbola tsy nahazera
kanto no voiziny, rima no mba balany
raha voakendry ianao, dia ivilio ny lalany
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
TononkaloNM